Efa nampoizina taorian’ny vidin-tsolika

Miverina mamaivay indray ny delestazy


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Isaky ny misy fanapahan-kevitra mikasika ny tontolon’ny angovo sy akoran’afo raisin’izao

fitondram-panjakàna izao izany dia ampoizina tsy maintsy hiantraika amin’ny olan’ny herinaratra sy rano hatrany. Tsy hay aloha izay tena ifandraisany fa dia tombanana amin’ny lafiny fitsinjaram-bola sy fividianana ireo filàna isan-tsehatra hatrany izany. Tahaka ny hoe nampidinina iny ny vidin-tsolika dia any amin’ity sehatry ny herinaratra sy rano ity indray izany no manefa. Azo heverina ho efa nampoizina ihany satria dia ireny niaraha-nahita omaly ireny fa miverina mamaivay indray ny delestazy teto Antananarivo renivohitra. Niresaka moa ireo tomponandraiki-panjakàna ny faran’ny herinandro teo mikasika ny fitsinjaram-bola na fitantanam-bola tahaka ilay avy amin’ny tahirim-bola iraisampirenena na FEC izay mitentina 105 tapitrisa Dolara hoe hatramin’izay dia ny 100 tapitrisa Dolara tamin’izany no namatsiana ireo kaompanian-tsolika. Nambaran’ny minisitra fa efa azo lazaina ho nilamina ny amin’iny ny sabotsy teo ary isan’ny antony nahafahana nanitsy io vidin-tsolika ankehitriny io izany. Mipetraka anefa ankehitriny ny fanontaniana. Ahoana indray izany ny momba ity delestazy miverina mamaivay ity? Tena tsy misy ifandraisany amin’iny fanapahan-kevitra momba ny vidin-tsolika iny ve?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT