Actualités

Efa mampandre ny Jirama Miala any indray ny delestazy mitety faritra


  • Zoma 17 Febroary 2023

Hisy fahatapahana herinaratra indray ato anatin’ny 5 andro, izany hoe ny faha 20n’ny volana ihany no mety mba hilamina, raha ny vinavina nataon’ny JIRAMA omaly ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

Nanomboka omaly alakamisy moa izany no voalaza fa efa nihatra teny Ankorondrano, Anosizato, Ampahitrosy, Ankoka, Antanetikely, Ambohijoky, Alavarano, Ampanosoa, Antongobato, Antakiaka, Antaboaka nanomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. Voalaza ho anton’izany ny fanoloana andrin-jiro hazo potika eo Ampahitrosy. Noho ny fanoloana andrin-jiro hazo potika eo Talatanivolonondry koa dia nisy izay fahatapahana izay teny Avaratsena Talatanivolonondry. Manomboka anio kosa eny Ikianja Ambohimanga dia voalaza ho anton’izay indray manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva ny fikojakojana ara-potoana ilana fanapahan-jiro na herinaratra, raha ny marimarina kokoa. Rahampitso sabotsy dia ry zareo eny Talatamaty, Andranotapahana, Ankadivoribe indray no ho lasibatra manomboka amin’ny 9 maraina hatramin’ny 4 hariva hatrany. Isan’izany koa ny eny Mandroseza eny ary hatramin’ny 5 ora hariva mihitsy. Ny alahady, noho ny fanamboarana amin’ny tariby mitondra herinaratra sy fandrantsanana hazo dia mbola ho tapaka amin’ny 9 maraina hatramin’ny 5 hariva ny eny Anosizato, Ampitatafika, Fenoarivo, Alakamisy, Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Arivonimamo. Ny talata moa hoe ho fikojakojana ara-potoana sy fanoloana fandri-baratra dia ho tratran’izay fahatapahana izay I Antanetibe Ikianja, Ambohimarina, Ambohitrombihavana. Mbola toy izay koa no antony hanapahana ny eny Anjeva ny alarobia, hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT