Eddy Jean Philippe

«Tsy mendrika intsony izao vanin’andro izao ny vady atolotra!»


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Mialohan’ny hamaliana mivantana ny fanontaniana hoe mbola ilaina ve ny vady atolotra sa tsia

amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia andeha aloha hasongadina kely ny lanjan'ny hoe "vady atolotra" mba tsy hanamaivanana fahatany izany amin'ny maha vakoka azy, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina na «anthropologue culturelle», Eddy Jean Philippe. Ny lanjany taloha sy ny hevi-pahendrena nofonosiny dia fanamafisam-pihavanana, hoy izy, izany hoe fampifanojoana ribam-piarahamonina roa samihafa dia ny andaniny sy ny ankilany na ny mpivady. Ny fomba tsy mitovy, ohatra, no tena fototry ny tsy fifankahazoana eo amin'ny rafozana sy vinanto. Mba hisorohana izany dia ny ray aman-dreny no mahita izay fianakaviana mety ho mifanojo kolontsaina aminy. Fitsinjovana ny fiparitahan'ny lova na lova tsy mifindra koa io. Hevi-pahendrena ao koa ny faharetan'ny taranaka. Miaina sy mivoatra anefa ny riba. Ankehitriny, niova ireo hevi-pahendrena ireo ka nanjary fikatsahana tombontsoa manokana ho an'ny ray aman-dreny ny tolo-bady. Ny akon'ny fanatontoloana no nampihena tsikelikely ny fahefana ananan'ny ray aman-dreny manoloana ny zanany. Ny mikapoka zaza aza izao henjehin'ny fiarahamonina. Raisina ho herisetra. Ny fahefan'ny lehilahy manoloana ny vehivavy koa efa voakosoky ny miralenta. ny kitay telo an-dalana lasa ho zara mira sy ny tahaka izany. Mazava ho azy fa endrika herisetra no handraisan'ny fiarahamonina ankehitriny ny vady atolotra. Ny herisetra tsy mampandry fahalemana. Raha fintinina ireo rehetra voalaza ireo dia tsy mitovy ny lanjan'ny vady atolotra teo aloha sy ankehitriny. Noho izany, tsy mendrika intsony izao vanin’andron'ny fahalalahana izao ny vady atolotra! Sarotra ny fampandaniana azy manoloana ny kolontsaina vaovao ary mety hampisavorovoro fiarahamonina. Fivarotan-janaka mihitsy no ao ambadika ho an'ny sasantsasany mbola mivoy azy io fa tsy mitana intsony ilay hoe faharetan'ny taranaka. Fivarotan-janaka mira fivarotan-tena. Manova tolo-bady ho tolo-body, hoy hatrany ity manam-pahaizana ity.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT