Tsy misy fampiakarana azo atao intsony amin’ny ankapobeny ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana mpandrava didy (Cour de cassation) voalaza manafoana ny didy manameloka 5 taona an-tranomaizina ho an’i Maminirina Jean Eddy na Eddy Boaderozy, izay mifonja eny Tsiafahy amin’izao fotoana araka ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray omaly.
Ny Fitsarana natao tamin’ny 01 septambra teo no voalaza fa nanameloka azy higadra 5 taona an-tranomaizina, ary haingana dia haingana ny namoahana ny fitsarana mpandrava didy ny fanapahan-kevitra manafoana izany. Tany amin’ny taona 2013-2014 no nanomboka ny fanenjehana azy, ary nandeha nitsoaka tany ampitan-dranomasina. Nody tamin’ireny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Filoham-pirenena ireny, ary noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka tany Toamasina ny 29 novambra 2018 na dia voalaza aza fa olona karohin’ny fitsarana. Isan’ny niaraka taminy tamin’ny fety tany Toamasina ny Mpitsara iray izay solombavambahoaka mpanohana fitondrana ankehitriny. Somary niteraka adihevitra tamin’izany hoe tsy fantatr’io mpitsara ambony io ve fa nanana dosie maloto sy nokarohana ity namany? Niara-nanohana ny kandida Andry Rajoelina izy ireo. Ny 12 febroary 2019 anefa, dia nosamborina tampoka teny amin’ny La City Ivandry i Eddy Boaderozy, ary mpitandro filaminana hary fitaovana sy vonon-kiady no nanatanteraka izany. Mitsimbadika ny raharaha ankehitriny, ary miteraka adihevitra ilay didim-pitsarana nanafoana ny sazy. Sinema sy pi-maso tamin’ny mpamatsy vola ve ny nisamborana azy? Aiza ho aiza ilay hoe tsisy fandeferana na “tolerance zéro”? Tena tsy meloka tokoa ve izany izy? Misy ifandraisany amin’ny fanafahana an’i Eddy Boaderozy ve ny firehan-kevitra politika nananany izay nanohana ny kandida Rajoelina? Tsy afaka ny hamaly izany isika fa ny azo ambara fotsiny dia ny hoe ny Filoham-pirenena no Lehiben’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara, na ambara aza fa misy ny fisaraham-pahefana eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.