Hanatsara hatrany ny fiofanana omeny ireo olona hiasa eny amin’ny orinasa afaka haba ny ECCOVA tarihin-dRazanamanalina Volana
Betsaka amin’ireo tanora tsy tafita amin’ny fianarana mantsy, indrindra fa ny tovovavy amin’izao no mirona amin’ny resaka zaitra. Vonona hanampy azy ireny ity ivontoeram-pampianarana zaitra ity ankoatra ireo vonona ny hilofo hiasa tenany. Io indray no fanamby hapetraky ny ECCOVA amin’izao fibanjinany ny 20 taona manaraka izao. Vita izay ny 20 taona voalohany, hoy Razanamanalina Volana. Tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny, anisan’ireny ny fanitarana ny ECCOVA tany amin’ny faritra toy ny tao Mahajanga, Toamasina, Antsirabe ary Fianarantsoa. Na izany aza, tsy diso anjara amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ny rehetra, hoy ihany izy miaraka amin’ny fanamboarana kiraro sy pôketra izay efa misy ao aminy. Vonona ny ECCOVA hanaraka ny fepetra sy fenitra apetraky ny Minisiteran’ny fiofanana arak’asa. Mpianatra mihoatra ny 200 mahery moa no notolorany mari-pahaizana ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.