Raha eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no nohatevenina ny fanaraha-maso tsy hidiran’ny viriosy Ebola eto Madagasikara, dia mety hiditra mora ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina io valanaretina mandripaka olona maro any Afrika io.
Fantatra mantsy izao fa hisy sambo avy any Liberia higadona ao Toamasina anio. I Liberia izay firenena anisan’ireo tena lasibatry ny Ebola. Ny hany fantatra hatreto dia hanatitra kaontenera no hahatongavany ao Toamasina. Ankoatra izay dia efa tamin’ny 30 jolay ity sambo ity no tokony ho tonga saingy noho ny fihanaky ny valanaretina “Ebola” tany Liberia dia mbola niandriandry 15-21 andro ny tompon-tsambo sao misy zavatra hafahafa, izay vao namela ny sambo hanohy ny diany. Izay koa angamba no namelana ity sambo ity hiditra aty Madagasikara. Na izany aza, mirokopaka izaitsizy ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatry ny omaly, indrindra ny ao amin’ny MICTSL, izay orinasa mikirakira kaontenera handeha na tonga eo anivon’ny seranana, eo anatrehan’ity sambo ho avy ity. Inona no hatao ? Tsy voamana amin’ny tokony hatao, tsy hidiran’ny “Ebola” rahateo i Toamasina, fa saika nifantoka teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny governemanta. Na izany aza dia tsy maintsy nandray fepetra ny ao Toamasina, ka dia tsy misy mpiasa mahazo midina avy ao anaty sambo fa ny mpitsabo aloha no hiditra ao anatiny hanao fitsirihana. Manao fiarovana rehetra ny mpiasan’ny MICTSL ary hisy fandrarahana fanafody, izay tsy nambara hatreto hoe kazarana fanafody inona. “Dengue”, “chikungunya” samy valanaretina niseho tao Toamasina avokoa ireo, taona vitsy lasa izay. Dia ho sanatria ve ka ao koa no hidiran’ny “Ebola” eto Madagasikara ? Vanim-potoanan’ny fialantsasatra anefa izao ary betsaka ny misafidy iny ilany atsinanana iny mba hakana rivotra kely, hifarana anio rahateo ny fanadinana bakalorea ho an’ireo mpianatra zokiny. Dia ahoana ihany koa ny fanaraha-maso ireo teratany Gineanina maro eto Madagasikara, izay mpanao bizina vato ny ankamaroany ary mivezivezy any ivelany any ? I Guinée izay anisan’ny ahitana io otrikaretina “Ebola” io ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.