Durlin Retogniane

«Mila mitandrina isika tsy hanimba ny fifandraisana amin’ny amerikanina»


  • Zoma 12 Septambra 2025

Rehefa miresaka amerikanina isika, hoy ny tekinisianina momba

ny fizahantany sady mpandinika jeopolitika, Durlin Retogniane, dia tsy azo ihodivirana ny hoe «America first». Izany «America first» na hoe Amerika aloha izany, hoy izy, tsy vao tamin’ny andron’ny filoham-pirenena amerikanina ankehitriny, Donald Trump, no nanindrahindràna izany fa ny amerikanina dia mijery foana izay hahatonga azy amin’ny fahamboniana indrindra na «suprématie». Izay no mahatonga ny firenena amerikanina hisongadina sy hifantohan’izao tontolo izao. Nisy fotoana aza nalaza izany fomba fijery hoe Etazonia no zandarin’izao tontolo izao izany. Izany hoe izy no mifehy izao tontolo izao. Tafiditra anaty kolontsaina amerikanina izany. Tonga ny azy dia hetsika na «action» avy hatrany. Ny toetsaina mpandresy na «winner» foana ny azy na anaty fifanakalozana io na ara-barotra na diplaomasia na fifandraisana firenena miisa 2 na maromaro. Ny raharaha Boeing 777 dia fotoana iray ahafahan’ny amerikanina manipika izay fahamboniany izay. Tsy miverin-dalana ohatran’ny firenen-kafa ny amerikanina rehefa manao zavatra. Vitain’ny amerikanina hatramin’ny farany foana io raharaha 777 io. Anisan’ny nahafantarana ny amerikanina koa izay toetsaina antsoina amin’ny teny frantsay hoe «jusqu’au boutiste» izay. Mikatsaka fandresena hatrany amin’ny zava-drehetra ataony izy. Mila mitandrina izany isika eto Madagasikara ary tsy tokony hiverina eto ireny raharaha toy ny 777 ireny. Mety hanimba ny fifandraisan’ny firenena 2 tonta io fa mety hanimba fifandraisantsika amina firenena maromaro koa satria misy ireo sampan-draharaha iraisampirenena maha tafiditra ny amerikanina nefa isika malagasy koa anatin’izy ireny. Manimba diplaomasia amin’ny fifandraisantsika amin’ny amerikanina io. Manimba koa ny fifandraisana iraisampirenena satria miara-miasa amina firenena be dia be izany amerikanina izany. Ny faharatsian’ny fifandraisantsika amin’ny amerikanina, noho izany, dia manimba koa ny fifandraisantsika amin’ireny firenena miara-miasa aminy ireny. Isany ny israelianina, anglisy, soisa. Mila mitandrina isika tsy hanimba ny fifandraisana amin’ny amerikanina. Ity resaka 777 ity izao mety hanimba ny fifanakalozana ara-barotra anaty AGOA. Tapitra amin’ity septambra ity ny AGOA dia mbola tsy fantatra izany hatreto hoe ho avaozina ve izay fifandraisana ara-barotra izay sa tena ho tapitra tanteraka noho ilay fifandraisantsika miha maloka amin’izao fotoana izao? Mazava ho azy fa mety hisy koa ny fahavoazana amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izay imatimatesantsika amin’izao fotoana izao iny raharaha iny. Tsy hiresaka fotsiny isika izao hoe mety hanetsika ny olony ny amerikanina mba tsy hankaty amintsika noho io raharaha 777 io. Afaka manome vaovao ireo firenena miteny anglisy sy ireo mifandray aminy ko aizy tsy hankaty amintsika hanao izay fizahantany izay. Manimba ny fifandraisantsika amin’izao tontolo izao izany rehetra izany na ara-toekarena na ara-pizahantany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT