Durlin Retogniane

«Mbola tsy tara raha hianatra hifehy teny anglisy ny mpitondra!»


  • Talata 26 Aogositra 2025

Safidy ny fampiasàna teny vahiny, hoy ny tekinisianina momba ny fizahantany sy

mpampianatra teny anglisy, Durlin Retogniane. Safidy amin’ny lafiny fifehezan’ilay olona an’ilay teny io, hoy izy. Raha mitarika ny fikambanana rejionalin’ny SADC isika aty Afrika dia mampiasa ny teny frantsay ny filoham-pirenentsika manoloana ireo firenena mampiasa ny teny anglisy nefa misy mpandika teny, izay afaka manazava na mandika ilay teniny amin’ny teny anglisy, dia mety safidin’ny filoham-pirenena mihitsy izany ny mampiasa teny frantsay dia anjaran’ilay mpandika teny no manazava amin’ireo tomponandraikitra amin’ireo firenena mampiasa teny anglisy. Tsy vitan’ny hoe safidy fa mety fahazarana ho azy koa ilay mampiasa teny frantsay. Tao anatin’ilay sary moa izy niresaka tamin’ny filoham-pirenena afrikanina tatsimo, Cyrile Ramafouza, izy. Na izany na tsy izany dia tokony hanao ezaka ny tomponandraiki-panjakàna rehetra tsy an-kanavaka mba hifehezana izany teny anglisy izany. Efa tany amin’ny taona 2000 tany no efa nanakoako fa isan’ny ho be mpampiasa indrindra ny teny anglisy. Nanam-potoana no dikan’izay ireo tomponandraiki-panjakàna ireo hianarana teny anglisy. Izao isika isan’ireo firenena mampiasa ny teny frantsay mikambana anaty SADC nefa firenena miisa 12 amin’ny 16 no miteny anglisy ao. Mbola tsy tara raha ireo tomponandraiki-panjakàna, manomboka amin’ny filoham-pirenena hatrany amin’ny sefo fokontany, rehefa misahana asam-panjakàna, raha izao no hianatra hifehy teny anglisy. Fotoana tsinona izao ahafahantsika hanararaotra ireo tombony tokony ho azo anatin’izany SADC izany, indrindra, anatin’izao fitarihana azy izao. Ataontsika ahoana moa ny hahazo tombony amin’ireo tolotra eo imasontsika raha tsy haintsika akory ny miady varotra amin’ireo firenena hifanakalozana anatin’izany? Tsara kokoa raha isika no mifampiresaka mivantana amin’ireo olona tiantsika ifandraharahana anivon’izany firenena mampiasa teny anglisy izany satria raha ohatra miantehitra amin’ny mpandika teny isika dia mety hisy ilatsaka eny an-tsefatsefany eny ka mahatonga ilay ady varotra atao tsy hahomby araka izay faniriantsika. Tsy afa-miala amin’ny resaka varotra izany SADC izany. Manana tombony isika noho ireo loharanon-karena voajanahary nomen’Andriamanitra antsika. Tafiditra anatin’izay ny harena an-dranomasina, anaty ala toy ny biby sy zava-maniry mampiavaka ity firenentsika ity, ny harena ambanin’ny tany, ny tena zava-dehibe indrindra dia ny olona, izay saika tanora no ankamaroany. Zava-poana ireo tombony nomen’Andriamanitra antsika ireo raha tsy haintsika ny miady varotra eo anivon’ireo firenena mpikamban’ny SADC, izay mampiasa teny anglisy no maro an’isa. Lesoka goavana raha sakana ara-pifehezan-teny na «barrière linguistique» no tsy hahatomombana varotra iraisampirenena. Betsaka ireo tomponandraikitra avy amin’ireo firenena mpikamban’ny SADC no mbola tavela eto noho ny antony ara-pizahantany. Manana ny mampiavaka azy toy ny «Big five» ao Afrika ny firenentsika dia ny karazan-gidro, Baobab, tsingy tsy fahita afa-tsy eto. Hisy akony amin’ny firenena hatrany amin’ireo firenena mikambana anaty SADC ireo izany ary aza adino fa maro ireo eoropeanina sy firenena avy any amin’ny kaontinanta hafa mandalo amin’ireo firenena ireo! Misy amin’izao fotoana ilay maodelina fizahantany mirazotra na «circuit combiné» izay fampivadiana ny fizahantany amina firenena roa samihafa na maromaro mihitsy. Avy ao Tanzania izy, ohatra, dia mandalo an’i Madagasikara na mankao Maorisy indray avy eo. Mbola tsy tara raha hampiroborobo ny teny anglisy, izay tena ilaina amin’ny fifandraisana iraisampirenena, i Mandagasikara ary mbola tsy tara raha hianatra hifehy teny anglisy ny mpitondra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT