Ho sahan’ady diplaomatika fa
tsy ho sahan’ady miaramila izany akory i Madagasikara, raha izao fomba fitondrantsika ny diplaomasia eto amin’ny firenena izao, hoy ny mpandinika raharaha iraisampirenena sady mpisehatra amin’ny fizahantany, Durlin Retogniane. Somary midadasika ihany tsinona, hoy izy, ilay voambolana hoe sahan’ady raha ny fifandroritana ara-diplaomatika amin’i Madagasikara amin’izao fotoana izao no resaka. Eto amintsika ny ankabeazan’ireo akora tadiavin’ny firenena matanjaka toa an’i Etazonia, ny Fanjakana mitambatra na «Royaumes unis», Sina, Rosia, Frantsa. Hitantsika fa tsy nitondra soa ara-diplaomatika nefa ny fiaraha-miasa tamin’ny frantsay, mba tsy ilazàna hoe tamin’ny tandrefana. Mihitsoka lalina tsinona izao ny firenentsika. Tsy misy ny diplaomasian’ny samy mahazo na «Win win». Mpikambana maharitry ny filankevitry ny fandriampahalemana eo amin’ny firenena mikambana i Frantsa. Ireo firenen-dehibe miisa 4 ankoatran’ny frantsay koa toy izany. Manana fifandraisana amin’i Madagasikara ireo saingy noverezin’ny frantsay teo amin’izay lafiny ara-diplaomatika izay. Hita nefa fa tahotra ny an’ny frantsay satria rehefa nahazo fanasàna tamin’ny rosianina ny filohan’ny fanavaozana dia hitantsika fa nikoropaka ny frantsay ka nandefa fanasàna hankanesan’ny filoha malagasy ho any Frantsa koa. 370 tapitrisa Euro koa tetsy ankilany no navoakan’ny vondrona eoropeanina ho fanampiana ny fiaingàn’ny toekarena eto Madagasikara. Taiza ireo vola sy fanampiana ireo talohan’ny fanasàn’ny filoha rosianina, Vladimir Poutine? Mifanindra-dalana foana koa ny politikan’ny sinoa, indrindra, politika iraisampirenena. Niaraka foana tamin’ny rosianina izy ka ny dikan’izay dia rehefa mankato ny fitondràna misy ny firenena rosianina dia manaraka ho azy ny sinoa. Tsy mitovy ny zava-misy tamin’ny andron’ny filoha Didier Ratsiraka sy ny zava-misy ankehitriny satria miha mivoatra foana ny zava-misy erantany. Nampihatra ny «politique de non alignement» na tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa tamin’izany ny fitondràna Ratsiraka rehefa misy ady mipoaka manoloana ny fiandanian’ny rosianina tamin’ireo firenena niaradia tamin’izany fotoana. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny fiitaran’ny ady eo amin’ny Rosia sy Okrainina ankehitriny nefa isika dia iaraha-nahita fa nanana ny heviny foana taty aoriana i Madagasikara. Azo atao tsara ankehitriny ny mametraka an’izay politika tsy miandany izay satria tsy manery ny firenena te hiara-hiasa aminy tsy hifandray amina firenen-kafa ny rosianina. Ny anjarantsika izany izao dia ny mijery hoe aiza no ahitantsika tombontsoa kokoa amin’ireo firenena tiantsika iaraha-miasa ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.