Mazava ny fanambaran’ny minisitra ny fampianarana ambony mikasika ny raharaha ny oniversite Mahajanga fa handrasaina fepetra ireo tsy mbola manaraka ilay drafi-pandaminana
Ireo mpianatra mpitokona eny amin’ny Campus Ambondrona ihany koa dia mbola nanamafy an’io fanambarana’ny minisitra io ary tsy misy ny tokony hidinan’izy ireo an-dalambe intsony raha voahaja io drafi-pandaminana izay no soniavina sy napetraka ho famahana ny olana ny oniversiten’i Mahajanga . Notsindrin’ireo mpianatra hatrany fa tokony averina eny amin’ny Campus Ambondrona amin’izay ny fampianarana rehetra misy indrindra ny fampianarana izay nasiana famerenana telo volana voarakitra ao anatin’io drafi-pandaminana hatrany ary ny 15 novambra izao no tokony hifarana ny fampianarana rehetra eo anivon’ny oniversite . Etsy andaniny anefa ireo mpandraharaha dia nilaza fa tsy mety amin’izy ireo io drafi-pandaminana nivoaka io satria saika ny tombotsoa ny mpianatra mpitokona avokoa ny atsasa manila ny voarakitra ao. Mihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpianatra mpitokona sy ny mpandraharaha ary ny minisiteran’ny fampiarana ambony amin’ny ity resaka fampiaharana ny drafi-pandaminana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.