Nivoaka ny alatsinainy 28 jolay 2014 teo ny didim-pitondrana laharana 24413/2014-MESupRES manendry ireo komity mpanatanteraka sy mpanara-maso ny drafi-pandaminana ny raharahan’ny oniversite
. Ahitana « co-président » iray tendren’ny minisitra izay mpampianatra mpikaroka, mpianatra roa izay voafidy ao amin’ny fikambanan’ireo mpianatra ary voasoratra ara-dalàna fa mpianatra izy ireo. Miova tsy araka ny tokony ho izy ny voarakitra ao anatin’io drafi-pandaminana izay nasiana fanavaozana avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony io, hoy ireo mpandraharaha ary tsy manan-kery amin’izy ireo ny fanatanterahana azy io. Lasa ahitana « co-président » roa ny drafi-pandaminana nohavaozina izay tsy mpampianatra mpikaroka ny iray amin’izy ireo, eo koa ny solontenan’ireo mpianatra izay tsy misoratra ara-dalàna miampy olona tsy fantatra mazava izay tena antom-pisiany no tsy mahalala ny fototry ny olana ny oniversite, hoy hatrany izy ireo. Tsy voahajan’ny minisitry ny fampianarana ambony intsony ny fanatanterahana io drafi-pandaminana io ary tsy tokony hisy ny fanovana azy, hoy ireo mpandraharaha. Voalazan’izy ireo fa lasa drafi-pikorontanana ity nivoaka ity satria dia mbola mitohy hatrany ny fitokonan’izy ireo ary tsy hijanona raha tsy misy ny vahaolana mivaingana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.