Actualités

Dr Randrianandrasana Patrice Mbola atao ihany ve ny fampihavanam-pirenena ?


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

7 volana no lasa tsy misy mamiratra eto amintsika, hoy i Eric Randrianasolondraibe avy any Antsohihy tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Fampatsiahivana ihany izany fa tsy kihana, hoy izy, fampihavanana ara-politika no ilaina

. Marina ve fa voailika tsy handray anjara amin’ny “sommet Amerikano-Afrika” i Madagasikara ?  Mba valionareo mpitondra fanjakana io  fa mafy ho an’ny vahoaka izany. Tsy azon’ny vahoaka ny vaovao amin’ny haino aman-jery, hoy i Dr Patrice Randrianandrasana avy any Mahajanga nanamafy izany,  fa misavoaravoara. Tsy hanoro vohony anao filoham-pirenena  izahay fa sahirana ny vahoaka ao Mahajanga, maro ny fampanantenana natao tamin’ny propagandy tsy mbola nisy tanteraka. Mety hafa ny tenin’ny olona manodidina anao fa ny tsy azo lavina dia vizana ny vahoaka. Velom-panontaniana ny vahoaka hoe mbola hatao ve ny fampihavanam-pirenena dia mody Ravalomanana sa efa niova zavatra hafa no hatao indray ? Efa mipetraka koa mantsy ny HVM any Mahajanga ka mihevitra ny vahoaka fa hakana ny ben’ny tanàna maro anisa dia tsy mbola hampodiana Ravalomanana.  Mba haneken’ny vahoaka fa hihavana tokoa raha tena olon’ny fampihavanana ianareo dia ny fodian-dRavalomanana ihany dia miray saina sy fo ary manambatra hery ny vahoaka. Tsy mahalala fitapitaka na kajikajy ny vahoaka any amin’ny Faritra fa ny azy rehefa manaiky dia manaiky.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT