Actualités

Dr Randriamamizafy Ignace Mananontanona ny krizy politika


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Nivadika ho krizy ara-tsôsialy, hoy ny Dr Randriamamizafy Ignace mpanao pôlitika, ny fiatrehantsika Malagasy ny famhaehana ara-pahasalamana ankehitriny noho ny fahasahiranan’ny olon-drehetra eo amin’ny lafiny fihariana sy fitdiavana izay hohanina isan’andro.

 

Diso paikady ara-drafitra sy ara fampiharana lalàna hatrany am-boalohany, hoy izy, ny fanjakana mitondra ankehitriny eo amin’ny fiatrehana an’ity ady amin’ny covid-19 ity satria lalàna efa lany andro nampiasaina tamin’ny andron’ny Repoblika faha-2 (1991) niarovana ny Repoblika Demokratika Malagasy tamin’ny fotoanandrony no mbola hampiasaina ankehitriny izay misy andininy milaza fa mampigadra 3 volana ka hatramin’ny 1 taona an-tranomaizina ary mbola handoavana lamandy 1 hetsy ka hatramin’ny 5 tapitrisa ariary ny tsy fanarahana an’ireo fepetra voalaza ao anatiny toy ny tsy fanaovana arovava rehetra mivoaka ny trano fa tsy izany fanaovana asa “travaux d’intérêt general” izany ary ny CSR izay rafim-panjakana efa tsy misy eo amintsika intsony no manao sonia mankato ny lalàna navoakan’ny filoham-pirenena. Ireo rafitra eo ambaniny toy ny praiminisitra sy lehiben’ny Faritra sns… no mpanataneraka homen’ny filohan’ny Repoblika fahefana hampihatra ny lalàna navoaka fa tsy voasoratra ao izany Governora izany ary tsy nisy “décret” mazava ihany koa ny nananganana an’ilay rafitra CCO hitantanana ny ady amin’ny coronavirus eto amintsika. Tsy mahagaga araka izany, hoy ity mpanao politika ity, raha tsy nahomby ity ady amin’ny Covid-19 eo amintsika ary ambarako ihany koa, hoy izy, fa : tsy misy firenena hahomby izany eo amin’ny fitantanana firenena ao anaty tany tsy tan-dalàna. Misy kosa anefa irao vahaolna vitsivitsy azo hampiharina hanarenana ny tsy fahombiazana toy ny fampitambarana ho tokana an’ireo fanampiana homena ny vahoaka sahirana (Vatsy tsinjo, Tosika fameno, Sôsialim-bahoaka). Tokony hampodiana any amin’ny misy azy toy izay natao tamin’ireo olona nody avy any Libana ka nalefa tamin’ny fiara manokana hody any amin’ny Faritra ireo mpianatra mitaraina fa mihiboka eny amin’ny Oniversite rehetra eo amintsika. Ary farany raha mbola azo atao ny mifampiresaka dia mifampiresaha ianareo mpanao politika isan-tsokajiny eto amin’ny firenena mba tsy hampisy krizy hafa eo amintsika indray.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT