Tsy hoe adala sy tsy misaina daholo akory ny malagasy, hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo.
Tsy fidiny aminy, hoy izy, ny tsy mba maheno ny fanehoan-kevitry ny kandidà hafa. Tadidio fa ray aman-dreny mba mitaiza zaza ary mahatafita zanaka sy mahavita manabe ny zanany hahatondra tokantrano ny malagasy na lazaina fa “niveau T3” na T3 fari-pahatakarana aza. Azo atao tsara ny mampitovy ny “durée d'antenne” na faharetan’ny fahazoana miteny amin'ny haino aman-jery ho an'ny kandidà rehetra. Mandava-taona ny fitaizana ny vahoaka ara-potokevitra fa tsy akaiky fifidianana toy ny an'ny sasany. Misy aza moa efa raikitra ny fifidianana izay vao mampiditra olona malaza dia iny no tohanan'ilay antoko amin'ny lokon'ilay antoko maro be fa ireo fotsiny aloha no zaraiko. Amiko dia tsy marina ny famelabelarana hoe mizara “T shirt” sy mampiasa artista aloha fa rehefa tafakatra eo vao manova. Rehefa miendrika kolikoly no andraisana fitondrana dia toy izao mahazo antsika izao no zava-misy satria ny mpamatsy vola ny fampielezankevitra amina vola tsy toko tsy forohana no manao ampihimamba ny seha-pihariana rehetra ka mampijaly ny daholobe, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.