Actualités

Dr Marius Ramaroson “Simba ny tontolo iainana eto Antananarivo”


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Raha ny fanadihadiana samihafa dia azo lazaina ho efa simba ny tontolo iainana

 

 

 

eto Antananarivo, hoy ny dokotera mpitsabo, Marius Ramaroson. Mampirongatra ny fahapotehany, indrindra, amin’ny fotoana toy izao ny doro tanety. Eo koa ny setroky ny fiara, ny setroky ny ozinina, ny fandoroana fako. Tena iantraikany dia ny taovam-pisefoana. Tsikaritra be dia be koa ny tsy fahazakan’ny toe-batantsika Malagasy zavatra maro na hoe “allergie” vokatr’izay. Be dia be ny fisehony, toy ny hasemporana sy ny hidihidy. Rehefa midina any ambanivohitra avy eo ilay olona dia miova ny fahasalamany. Ny tokony atao izany satria mbola eo koa ity valanaretina Coronavirus ity dia tombony ny fanaovana arotava satria isan’ny miaro antsika amin’ny loton’ny tontolo iainana io. Miaro amin’ny tsy fiparitahan’ny aretina koa. Ilaina moa ny fanajana ny fepetra saingy iaraha-mahita ny zava-misy ka ny mety ho vokany izany dia na ilay olona mitondra ilay otrikaretina dia mamorona hery fiarovana ao anatiny dia mahazaka isika na isika tratrin’ilay aretina fa tsy mahaforona ilay hery fiarovana dia hiombo be io. Ny hirariana dia ho vitsy ny ho maty fa tsy ho voatazontsika ny fipariahan’io zavatra io raha izao mitranga izao. Isan’ny vahaolana ankoatr’izany moa dia ny hoe aoka izay ilay fiara be setroka ary ny doro tanety tokony enjehina amin’ny lalana mifanaraka amin’izay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT