Actualités

Dr Jules Etienne “Tokony hihodina amin’izay ny TIKO”


  • Zoma 04 Jolay 2014

«Tsy hitako intsony ny olana amin’ny mety hisokafan’ny Orinasa Tiko», hoy ny Minisitry ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina, Atoa Jules Etienne raha nitsidika ny orinasa tao Andranomanelatra ny tenany ny Alakamisy 03 Jolay 2014..........

Nohamafisiny fa sandan’ny femerenana ny orinasa ho afaka hihodina araka ny tokony ho izy no mety ho sakana sisa. Mbola nambarany fa efa fanambiny raha nandray ny Minisitera fa tokony hihodina avokoa ireo orinasa Malgasy ka tsy hijerena  hoe fofon’iza na an’iza io fa ireo rehetra izay nanana olana hatramin’ny taona 2009 dia hitadiavana vahaolana satria nisy Malagasy niasa ihany koa tao ary indrindra Malagasy ny tompony. Mikasika ny Orinasa Tiko manokana dia tsy mbola fantatra ny sandan’ny fanonerana tokony haloa aminy, izay voasoratra ao anatin’ny Tondrozotra izay tsy izaho Minisitra Jules Etienne akory no nanoratra izany tao anatin’izany, ka io no tokony hojerena marina hoe iza no tokony handoa an’izany araka voalazan’ny Tondrozotra io ka tokony hamaly izany ny nanao sonia ny tondrozotra. Nohamafisin’ny Minisitra fa tsy ny Tiko irery no tokony homena onitra fa ireo rehetra voakasika nandritra ny hetsika tamin’ny 2009 ireny. Raha ny momba ny resaka hetra izay nanenjehana ny Tiko dia nambaran’ny minisitra fa tsy izay no olana fa misy ny tompon’andraikitra tokony hijery izay lafiny izay fa tokony hiasa ny orinasa. Efa misy moa ny teknisianin’ny Oriasa Tiko sy ny minisitera raha ny nambaran’Atoa Minisitra mijery izay lafiny Teknika amin’ny fanodinana indray ity Orinasa ity amin’izao fotoana ka dia azo antoka, hoy ny minisitra fa tsy ho ela intsony izany. Raha ny nambaran’Atoa Tojo Ravalomanana dia tsy fidiny ho azy ireo no nenjehina sy nodorana ka tsy afa-niasa hatramin’izay kanefa dia Orinasa Malagasy tanteraka izy ireo ary mamokatra vokatra ho an’ny Malagasy no sady mamorona asa ihany koa. Ny mampalahelo hoy izy dia ny Orinasan’ny vahiny izay efa ho ny 70 % eto Madagasikara no mibahana amin’izao fotoana fa ny gasy toa tsy afa-miasa. Mahabe fanantenana ny fijerena ifotony ataon’ny Minisitra toy izao ka ny adidiny dia ny manasoa ny mpiara-belona. Nisaorany manokana moa  ny vahoakan’I Vakinankaratra tamin’ny fiarovana ity Orinasa ity fa tsy tahaka ny nitranga tany amin’ny toerana sasany izay potika tanteraka. Nohamafisiny fa vonona tanteraka amin’ny fanodinana ny Orinasa izy ireo ka na anio dia anio aza dia afaka miasa amin’ny ampahany avy hatrany izy ireo, fa miankina amin’ny fitondram-panjakana izany. Nambarany moa fa 35.000 no isan’ny

mpiasa nivantana tao amin’ny Tiko ary manodidina ny 20.000 no isan’ny tantsaha niara-niasa tamin’izy ireo. Andrasan’ny maro, araka izany, ny hihodinan’ity orinasa ity faran’izay haingana mba ahazoan’ny mpiasa miasa indray. Marihina moa fa saika voatsidiky ny minisitra avokoa ny orinasa tao Andranomanelatra dia ny fanodinana ronono sy ny fanaovana ranom-boankazo ary ny fiompiana omby izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT