Dr Geneviève Ramakavelo

«Raha samy tapa-kevitra dia


  • Alakamisy 17 Jolay 2025

tafavoaka afaka iray volana i Madagasikara»

Simba ny toetsain’ny malagasy ankehitriny ary lasa izay ahazoana vola amin’ny fomba rehetra no ataon’ny gasy ankehitriny, hoy ny mpampianatra mpikaroka sady mpanabe misotro ronono, Dr Geneviève Ramakavelo, naneho ny alahelony manoloana ny lasa fisongadinan’ny halatra sy fisolokiana hatrany teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara, indrindra, rehefa fanadinam-panjakàna, tao anatin’ny taona vitsivitsy izao. Famosaviana, hoy izy, na ny resaka laza adiny mivoaka na ny fisolokiana. Hiheritreritra avy eo ireo mpianatra hoe afaka nefa ny fari-pahaizana tsy ananany akory fa ny mari-pahaizana fotsiny no ananany. Famosaviana ara-toetsaina izany dia io koa isika fa miroso amin’ny famosaviana ara-batana. Maninona ny gasy no tonga amin’izany toetsaina izany? Ny antony dia satria lasa tia tena. Izay mahatafavoaka ahy no ataoko. Tsy miraharaha ny hafa intsony. Mitady laza adina isolokiana atao hoe tena izy izany no mahatafavoaka dia izay no ataony. Tokony hiheritreritra fanarenana isika manoloana izany fa tsy vitan’ny fitsikeràna sy filazàna ny zava-misy ankehitriny io! Tsotra, avy amin’ny tsirairay ny manarina an’io. Ny tsirairay no mijoro amin’ny marina, amin’izay misy azy. Mitotongana midina isika raha samy hanao ny tsy marina fa andao hanao zavatra mampiakatra. Samia manao ny marina! Ajanony ny kolikoly! Ajanony ny fitiavan-tena fa mba jereo koa hoe manao ahoana ny sasany? Tafavoaka isika raha izay no mipetraka. Manao antsoavo amin’ny malagasy rehetra nahafantatra hoe inona izany fihavanana izany? Antsoavo koa no atao amin’ny Kristianina. Kristianina daholo no ankamaroan’ny olona ary na tsy Kristianina aza ianao amin’izay fivavahana arahanao dia mitandro ny fitiavana daholo. Mijoroa amin’ny marina! Ny marina tadiavina! Raha samy tapa-kevitra rahampitso isika dia tafavoaka afaka iray volana i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT