Dr Geneviève Ramakavelo

«Misy andrakandrana tsy dia mitondra lavitra»


  • Zoma 14 Martsa 2025

Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny

fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny mpanabe sy mpampianatra mpikaroka misotro ronono, Dr Geneviève Ramakavelo. Be dia be, hoy izy, izao ny hoe tsatoka antsy ery sy ny toy izany. Mipetraka koa anatin’izay ny fanabeazana anaty tokantrano sy any am-pianarana. Mora kokoa ny fifohana rongony amin’izao fotoana izao. Matetika ireny olona manatsatoka antsy sy ny namany ireny tsy tompon’ny tenany. Misy andrakandrana tsy dia mitondra lavitra. Ohatra ny fanandramana mifoka sigara sy fisotroan-toaka. Samy ratsy ireny fa ny tena loza amin’ilay manandrana mifoka rongony dia ny lasa filàna izany foana. Tsy maintsy mitady izany foana dia voatery mitady vola ahafahana manjifa izany ahazoana ilay fahafinaretana amin’izy ireny. Rehefa mahazo an’izay ilay tanora dia tsy tompon’ny tenany ka rehefa misy mahazo azy tonga dia mivazavaza na ireny manatsatoka antsy ireny ary ny tena ratsy dia ilay hoe mamono tena. Tokony hiheritreritra isika mpanabe hoe ahoana no tsy hiparitahan’ireny zavatra ireny? Tokony hazavaina amin’ny ankizy sy tanora koa hoe mitondra azy ireo aiza ireny? Hazavaina any am-pianarana mihitsy fa tsy vitan’ny hoe tsy azo atao ny mifoka rongony. Mampihoron-koditra ilay tsy fandriampahalemana satria ohatran’ny moramora ankehitriny ny manala ain’olona. Marina fa hoe tsy mahazo mikapoka sy toy izany any am-pianarana, ny ao an-trano koa, fa tsy maintsy fantatr’ilay ankizy anefa rehefa misy tsy mety ataony hoe tsy maintsy hisy tambiny iny. Tsy voatery ho kapoka izany fa raha misy hitan’ny ray aman-dreny hoe tsy mety dia hazavaina amin’ireo ankizy ny antony tsy mampety izany ka raha mbola mamerina izy dia anjaran’ilay ray aman-dreny no mitady zavatra hafa ilazàna aminy hoe tsy mety iny ka izao no setriny. Tsy miana-desona, ohatra, ilay ankizy fa toy ny tompoiny mihitsy ny finday ary tsy hanaovana na inona na inona ao an-tranony koa dia esorina aminy izany aloha iny. Tenenina izy hoe rehefa fotoana toy izao ianao no mahazo mijery an’iny fa ataovy aloha ny tokony atao fa tsy hoe ianao hikapoka nefa ilay zavatra mahatonga azy tsy mianatra tsy esorinao eny an-tanany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT