Actualités

Dr Geneviève Ramakavelo «Manaiky an’izao ho an’ny zanatsika ve isika Ray aman-dReny?»


  • Talata 05 Novambra 2024

efa niteny aho hoe aoka izay ny fanabadoana ny malagasy, hoy ny mpanabe sady mpampianatra mpikaroka, Dr Geneviève Ramakavelo.

Izao dia tsy misy afa-tsy any amin’ny fampianarana ve no azo hanesorana vola, hoy izy, ho an’ny JIRAMA? Be dia be ny tetibola na «budget» misy eto. Betsaka ny tetibola fantatra fa mihoam-pampana. Maninona no any amin’ny ankizy izay tena fototr’i Madagasikara no hanesorana ny tetibola? Milaza ny sasany amin’ireo mpianatra ireo fa efa nisy fampanantenana azony toy ny hoe hahazo «kit scolaire» na vatsim-pianarana, hahazo «cantine scolaire» na famatsiana ara-tsakafo any an-tsekoly, hahazo trano fampianarana tsara. Ahoana no tsy ho atao tonga izany fampanantenana izany fa olona inona izany no manao fampanantenana amina zaza nefa tsy tanterahina rehefa avy eo? Olona niteraka ve hanao izany? Ny zanak’izany olona izany ve tsy hiantefan’ilay fampanantenana hapetrany? Isika ray aman-dreny ve mba mahatsapa hoe ny tena mahaolona antsika no tsy asiana vidiny eto amin’ity firenena ity? Ny zanako moa efa tody fa ny zafikeliko mbola any. Ekena fa misy ny fanabeazana atao ao an-tokantrano fa misy koa ny fahalalana tokony omena ny ankizy ahafahan’izy ireo mahazo lojika tena marina. Manaiky an’izao ho an’ny zanatsika ve isika ray aman-dreny? Manaiky an’izao ho an’ity tanindrazantsika ity ve isika? Samia miheritreritra hoe rariny ve izao? Tokony miheritreritra ny ray aman-dreny hoe tsy rariny izao! Rehefa tsy rariny dia inona no tokony ho ataonao? Tetibola mihoam-pampana isaky ny minisitera hatrany amin’ny fiadidiana ny repoblika hatrany amin’ny antenimierandoholona sy depiote. Ireo hoe solombavambahoaka sy loholona ve tsy miheritreritra sa ny taranak’izy ireo tsy eto Madagasikara? Mandositra any an-dafy daholo ve ny taranak’izy ireo ary tsy misy hoe mba hanorina an’ity Madagasikara ity? Iza no hanorina an’ity Madagasikara ity? Ny any ivelany sy ny fangatahana ve no andrasana amin’izany nefa tsy misy tany manan-karena ohatran’i Madagasikara? Maninona no any amin’ny sasany no andrasana hanao izany ary ny ankizy tokony hanorina satria tsy vitantsika, maninona no izao no hanaovana azy, hoy hatrany ity mpanabe ity nampiaka-peo mafy?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT