Dr Geneviève Ramakavelo

«Fotoana izao tokony hahaizantsika mifehy tena!»


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Ny facebook sy ny tambazotran-tserasera hafa dia ahitan’ny olona fahalalana,

hoy ny mpanabe sady mpampianatra mpikaroka, Dr Geneviève Ramakavelo. Na fahalalana mombana olona io, hoy izy, na zavatra na toe-piainana na toekarena. Tsy mila mianatra intsony ve izany? Raisinao ilay fahalalana dia mahazo anatra ianao. Anatra mety aminao sa tsia? Izay ilay hoe mampianatra ary izay no alaina any am-pianarana. Misy soatoavina apetraka any am-pianarana ary indrindra misy fanazavàna. Anaty tambazotran-tserasera tsinona, indraindray, tsy azonao tsara hoe inona no tian’ilay olona ho hazavaina? Rehefa any am-pianarana ianao dia manazava ny mpampianatra. Fandratoana fahalalana daholo na ny any amin’ny tambazotran-tserasera na ny any am-pianarana fa ianao no misafidy izay fahalalana tianao ho rantovina. Raha ohatra ianao hanao fanadinam-panjakàna dia fahalalana mifanandrify amin’izay no rantovinao. Azo rantovina anaty tambazotran-tserasera izany fa vitanao tsy mila fanampim-panazavàna ve fa ho raisinao tsianjery fotsiny izay rehetra hitanao? Tsy hitanao izay hampiharana azy ary tsy fantatrao ny ilàna azy. Fotoana izao tokony hahaizantsika mifehy tena! Raha efa zatovo ianao, indrindra, manomboka eny amin’ny lisea izao efa manana finday. Fantaro hoe inona no ilainao amin’ny fiainana? Te ho afa-panadinana ianao dia mahay mifehy tena. Tsy te ho afaka fa tianao ny rendrarendra dia aza mifehy tena! Safidy daholo io. Misy zavatra ajanona rehefa hisafidy. Raha misy zavatra 2 isafidianana ka nofidianao ny voalohany dia hajanonao izany ny faharoa, hoy hatrany ity mpanabe ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT