Dr Geneviève Ramakavelo

«Aoka izay ny fanabadoana vahoaka!»


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

sady mpampianatra mpikaroka, Dr Geneviève Ramakavelo. Jereo sao dia mbola kolikoly no ataony, hoy izy, rehefa manao propagandy. Jereo izay tsy manao kolikoly. Hifidy no ataonao nefa tsy ataony akory izay lazainy. Tsy nobeazina hiheritreritra momba ny zava-misy isika malagasy fa nobeazina nomena. Izay no tamin’ny fanjanahantany dia mbola mitohy hatramin’izao. Manipitsipy foana ny olona. Omeko an’ity ianareo dia ataovy izao! Omena foana fa tsy nobeazina hanome. Tokony hiova amin’izay izany izao. Mila manome ho an’ny firenenao ianao! Raha hifidy eto Antananarivo ianao dia manome ho an’Antananarivo. Amin’ny fomba samihafa no hanomezanao. Izay fanabeazana tsy nampianatra ny malagasy hanome sy hijery ny hafa izay no mahatonga antsika ohatran’izao. Izao isika samy sahirana daholo amin’ny jiro sy ny rano. Atao fotsiny izay hijanonana eo amin’ny toerana sy manafosafo ny zava-drehetra mba hipetrahana eo. Ny kolikoly dia mbola fitaizana hoe ahoana no hahatafavoaka ahy fa tsy mijery ny hafa? Raha mba samy te ho tafavoaka dia aoka izay ny fanabadoana ny sasany! Ilay heritreretina hoe tolorana dia iny fa manaraka an’izay tianao rehetra, aoka izay! Mila mifoha mijery ny zava-misy sy mba miheritreritra ny malagasy. Mahay miheritreritra daholo isika rehetra fa aoka izay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT