Dr Geneviève Ramakavelo

«Aleo isika milamina dia zavatra mampandroso no resahina!»


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Raha tsy hiova toetsaina isika malagasy tsy handroso, hoy ny mpampianatra mpikaroka sady mpanabe,

Dr Geneviève Ramakavelo. Zavatra hampandroso tenenina any anatin’ireny tambazotran-tserasera ireny, hoy izy. Isika miaraka no mampandroso. Aoka tsy hilaza lainga! Mba mijoroa amin’izay amin’ny fahamarinana! Tsy mitondra mankaiza ny fifanenjehana amina zavatra tsy misy fa mampikorontana ny saintsika rehetra. Efa betsaka ve ny manjo antsika dia mbola atao mampikorontana saina koa ny any? Aleo isika milamina dia zavatra mampandroso no resahina! Amin’ny maha mpitandro filaminana ny mpitandro filaminana, araka izay anarany izay koa, dia tokony hanao izay hampilamina ny rehetra koa izany ireo. Tsy ny hoe ny eny an-dalambe sy ny mandoro kodiarana ihany fa na ny any amin’ny serasera sy izay tsy milamina rehetra dia tokony jeren’ny mpitandro filaminana daholo. Ireny hoe sampana misahana ny heloka ana habaka na «cybercriminalité» akory tsy hoe isahana ny mikasika tomponandraiki-panjakàna ihany fa natao hijery izay hampilamina ny vahoaka koa ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT