mpanao gazety malagasy tato ho ato»
Ny malagasy dia manana «outils de prévention de crise» na fitaovana entina hamahana olana toy ny nampiasain’ny filoha amerikanina Donald Trump sy Vladimir Poutine teo, hoy ny mpahaitantara sady efa mpanao gazety, Dr Faramalala Ratsaratoetra. Nisy izao, hoy izy, tamin’izy roalahy ireo ny fifampiresahana mba hamahana ny olan’ny ady eo amin’i Okrainina sy Rosia. Isika malagasy aza no tena manana ny toy izany koa hoe fifanatonana, fifampiresahana, indrindra, fifampitsimbinana mba hiarovana sy hanatrarana ny soa iombonana. Nanome ohatra tamin’izany izao ny mpanao gazety raha nisy olana tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona. Na dia samy manana ny zotran-dahatsorany na hoe «ligne éditorial» aza izy, samy manana ny mpitantana na «patron de presse» na samy hita matetika aza ireo hoe samy mandrirotra izay soratany mba hampifanarahana izany amin’izay zotran-dahatsoratra izay dia nifampiaro sy nifampitsimbina kosa tamin’iny tranga iray iny ny mpanao gazety malagasy mba hiarovany ny tombontsoa iombonany. Midika izay fa tsy ny fahasamihafana mihitsy no tsy hahafahana miroso na mikaro-bahaolana hanatrarana ny tombontsoa iombonana. Afaka miaraka mifanampy foana. Toy izany koa ny resaka politika hoe afaka mifanatona na inona na inona fahasamihafana mba hivoahana amin’izao fahantrana lalina izao. Marina hoe samy manana ny firehana ara-politikany, ny heviny fa rehefa tody amin’ny tsy rariny isika malagasy dia mila ampiasaintsika ny soatoavintsika satria io no mampisy ny fiizintsika. Olana goavana tokony hiaraha-miady izao ny fahantrana. Andao hampiasaina hiadiana amin’izany ireo soatoavina miisa 4 dia ny fifanatonana, fifampiresahana, fifampitsimbinana, fiaraha-mientana. Teo izao ny olafitry ny mpanao gazety niaro ny tombontsoa iombonan’ny mpanao gazety satria nisy voatohitohina, araka ilay fomba fiteny hoe «Raha voadona ny aty, marary ny afero!». Mila miara-mientana. Ilay fiaraha-mientan’ny mpanao gazety teo mihitsy na inona firehan-kevitry ry zareo sy ny zotran-dahatsorany no tena nampisy fientanam-po, raha ho ahy manokana, hoe afaka mampandroso ny malagasy ny fiaraha-mientana ihany koa. Ny taotrano tsy efan’ny irery. Mila miara-mientana hampandrosoana ny firenena isika satria i Madagasikara dia sady an’ny vahoaka no an’ny mpitondra. Sady nanome lesona momba ny firaisankina ny mpanao gazety hoe mila averina ny soatoavina malagasy fa nanome lesona ho an’ny mpanao politika koa hoe mila hajaina izy fa samy manana ny hanitra ho azy isika. Lesona ho an’ny malagasy rehetra sy ny sehatra rehetra iny hiverenantsika amin’ny fiizintsika. Mila iainantsika ny soatoavintsika sy ireo fiizintsika ary izay ilay hoe ilaina ny fiverenana ifotony. Isan’ny fitaovana enti-mampandroso ny soatoavina no fisorohana krizy. Tena lesona ho antsika rehetra ny firaisankinan’ny mpanao gazety malagasy tato ho ato, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.