Nindaosin’ny fahafatesana omaly hariva i Dr Emmanuel Rakotovahiny rehefa nolazoin’ny aretina fotoana lavalava ary notsaboina tamin’ny klinika tsy miankina iray teny Ilafy teny. 81 taona i Dr Emmanuel Rakotovahiny izao nodimandry izao. Dokotera mpitsabo biby izy.
Ny hetsika politika herivelona Rasalama izay nandray anjara tamin’ny tetezamita 1991 sy 1993 no tena nanomboka nahafantarana azy teo amin’ny tontolo politika. Tanan-kavanan’i Pr Zafy Albert i Dr Emmanuel Rakotovahiny. Maro ny andraikitra nosahaniny teto amin’ny firenena. Praiminisitra (1995 – 1996) tamin’ny fitondran’i Pr Zafy Albert. Filoha mpiara-mitantana ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Zafy Albert izy ny aogositra 2009, niaraka tamin’i Fetison Rakoto Andrianirina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Mpanolontsain’ny praiminisitra Omer Beriziky izy tamin’ny tetezamita. Filoha nasionalin’ny antoko UNDD (Union National pour le Développement et la Démocratie) i Dr Emmanuel Rakotovahiny ary filoha lefitry ny CRN (Comité de réconciliation Nationale). Hivantana eny an-tranony eny Antsofonondry Antananarivo Avaradrano ny nofo mangatsiakany. Eo an-toerana ihany koa no handevenana azy.
Jean D / J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.