Actualités

Doro tanety Hihamafy ny sazy


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Tsy azo andeferana ny fahasimbana toy izao satria ny doro tanety dia voasokajy ho heloka bevava ka sazy henjana no miandry izay tratra manao izany. Izany no tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly.

 

 

Miha-mahazo vahana ny doro-tanety ka hisy ny fampiharana ny sazy ho mafy kokoa ho an’ireo izay manao izany ary hisy ny lamina vaovao hampiharina manomboka ny herinandro ho avy io mikasika ny fandoroan-tanety izay manempotra ny rehetra ary manimba ny tontolo iainana. Ilaina ny fandraisana andraikitra hentitra sy haingana avy amin’ny ministera miahy ny tontolo iainana. Marihana fa hisy akony amin’ny fanjifana arina fandrehitra, hazo,kitay izany fepetra noraisina hiadiana amin’ny baranahiny amin’ny fitrandrahana ala izany. Manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana izay mitarika hatrany amin’ny olana maro amin’ny fiainana andavanandro, dia entanina ny tsirairay tsy hatahotra hitoroka ireo izay manimba ny ala sy ireo zava-boahary arovana. Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT