DORO TANETY ETSY SY EROA

Olona miisa 5 no efa voasambotra hatreto


  • Talata 14 Janoary 2025

Olona miisa 5 no fantatra fa efa voasambotra hatreto taorian’ireo karazana firehetana

nitranga teto amintsika. Anisan’izany ny tany amin’ny distrikan’i Mandritsara. Toraka izany koa ny tany Taolagnaro raha tsy latsa-danja amin’izany ny ao amin’ny faritra arovana Ranomafana izay mbola tsy mety maty ny afo fa misy tsitokotokony mirehitra hatrany. Vao afak’omaly Alahady 12 Janoary alina indray ohatra no nirehitra ny tao Bezavona Taolagnaro izay mampitaraina fatratra ny mponina. Manahy mafy ny ainy ihany koa mantsy izy ireo ankoatra ireo biby sy zava-maniry maro samihafa tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara tokony arovana. Efa tafatsangana any an-toerana moa hoy ny vaovao ny komity hanara-maso ny firehetana ho fampahafantarana ny fiavian’ny afo sy ny fepetra raisina raha sanatria ka mbola mitohy izany. Efa miezaka miara-misalahy ihany koa ireo tompon’andraikitry ny tontolo iainana ao Ranomafana hotronin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary mijery sy manara-maso ny faritra arovana iray manontolo sy ny manodidina.
Pati
Legende : Teto Ranomafana no nahitana doro tanety tena henjana indrindra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT