DORO TANETY AO MANDRAKA

Efa ho herinandro tsy mbola maty ny afo


  • Alakamisy 21 Novambra 2024

Velon-taraina mafy ny fianakaviana Ramaherison, tompon’ilay tany mirefy 7.000 ha ao Mandraka,

distrikan’i Manjakandriana Faritra Analamanga izay lasibatry ny doro tanety andro maromaro lasa izay. Hatramin’ny omaly Alarobia 20 Novambra hariva fotoana nanoratanay mantsy dia mbola tsy mety maty foana ny afo. Efa mifanome tanana mamono izany avokoa anefa ny tafika sy ny zandary ary ny fokonolona hotronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny any an-toerana hoy ny vaovao azo saingy misy misoko mangina hatrany ny afo. Raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana iray ao anatin’ny fianakaviana anefa dia ala am-boalohany daholo ireo novolena nandrakotra ity tany mirefy 7000 ha ao Mandraka ity ahitana ireo karazam-biby kely tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara toy ny sahonakely madinika maneno toy ny lakolosy, ny gidro faran’izay madinika indrindra….Misy olona mipetraka ihany koa ao amin’io tanana io saingy efa nanomboka niala tsikelikely izy ireo noho ny tahony. Anisan’ny sakana goavana tsy hahafahana mamono ny afo moa ny tsy fisian’ny sampana mpamonjy voina any an-toerana raha eo ihany koa ny tsy fahafahany miditra any anaty ala manondraka rano ny afo. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ny tompon’ny tany mba hifanome tanana amin’izy ireo. Manahy moa ireto farany fa raha mitohy izao afo ao Mandraka izao dia mety hiitatra any amin’ny faritra mihitsy izany raha efa voakasika ny ao Ambatolaona.
Pati
Legende : Mitsitokotoko tahaka izao ny afo ao Mandraka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT