Na mpanao politika, na teknisiana, na mpiasa birao, na olon-tsotra eny an-dalambe rehetra eny, indrindra ny any anaty fiara fitaterana dia samy mifampanontany avokoa hoe : hoentin’ny mpitondrantsika ankehitriny ho aiza tokoa ŕry ity firenena Malagasy efa latsaka anaty fahoriana lalina ity ? “
Tsy hita marina izay tena hevitra hitondran’ny mpitondra antsika ny sambo Gasikara”, hoy ny maro. Toa variana mitsangatsanagana any ivelany hoe manao “lobbing” hitobahan’ny vola avy any hampiasaina eto an-toerana ny filoha nefa rehefa tafaverina avy any toa tsy hita izay tena hapoakany eo ! fa ny teo ihany no teo. I Rajao toa mba eo ihany indraindray sady mampihomehy, hoy ny tovolahy iray be vazivazy, fa i Narimampianina no tsy hita fa tena mampiesona ara-bakiteny. Lasa ny telo volana, dila ny enim-bolana, handalo ny sivy volana fa toa mbola ambatobevohoka ihany ilay fiovana sy fampandrosoana dradradradraina homena ny Malagasy 22 tapitrisa sady mahantra no miondan-karena. Mirobo-drano maloto tsy amina kiraro sy miaritra ny fofona maimbo tsy misy tampin’orona anaty tatatra vao mba mahazo ny sitrany ahay hividianana paty sy kafe sy moro ary sigara kely na paraky hanalana hamohamon’ny fiainana. Toa paiso an-kady ilay boaderozy mety hahazoana an-tapitrisany anatin’ny fotoana fohy ka aleo lo toy izay ho an-kavana. Izany no Malagasy be fivoarana mahari-pery ê !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.