Actualités

Dokotera mpandidy taolana Tsy manana afa-tsy 20 isika


  • Zoma 25 Jolay 2014

Tsy manana dokotera mpandidy taolana afa-tsy 20 isa isika eto Madagasikara mivondrona ao anatin’ny SOMCOT na ny Sociéte Malgaches de Chirurgie orthopédique et traumatologie miaraka amin’ireo dokotera hafa miisa 30

Tsy ampy be dia be io salan’isa io raha araka ny fanazavan’ny profesora Solofomanana Gaetan, manampahaizana manokana momba ny taolana, ny hozatra ary ny rantsam-batana. Tokony  hanana dokotera manampahaizana mikasika izany avokoa mantsy ireo hopitalim-panjakana rehetra manerana ny Nosy na dia maromaro aza ny hopitaly ao anatin’ny faritra iray, hoy izy.  Betsaka ireo karazana tranga fahatapahan’ny taolana tokony horaisin’ny dokotera an-tanana nefa entin’ny olona any amin’ireo mpitsabo izay milaza ho mahasitrana nefa tsy mahafehy ilay asa  akory. Manatanteraka ny kongresiny fahenina etsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina ny SOMCOT nanomboka omaly hifarana anio zoma 25 Jolay. Tanjona ny hampahafantarana ny olona ny fisian’ny SOMCOT  sy ny fitsaboana hataony mba ho tombontsoan’ny rehetra. Nomarihin’ity profesora ity moa  fa  tsy lafo be araka ny resaka mandeha izany ny fandidiana taolana  fa miankina amin’ilay olona marary sy ny taolana tapaka aminy. 18 taona aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana bakalorea vao ahazoana  « agreement » ny fianarana ho dokotera mpandidy tahaka izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT