Dokam-barotra momba ny fitsaboana nentim-paharazana

«Angatahana ho isan’ny heloka ana habaka»


  • Zoma 19 Jolay 2024

Tontosa omaly tetsy Anosy ny fivoriamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM.

Fikambanana natsangan’ny fanjakàna malagasy moa izy ity, hoy ny filohany, Josephin Andriandrainarivo, ary miara-miasa amin’ny fikambanana iraisampirenena momba ny fahasalamana na OMS. Mivory isan-taona io, hoy izy, ary tonga teto avokoa ny solontenan’ireo fikambanana miisa 17 ao anatiny. Sady ara-tsoatoavina no ara-kolontsaina no ara-dalàna ny fampiasana ny fitsaboana nentim-paharazana. Misy talenta na fanomezam-pahasoavana maro ao toy ny manotra, mamora zaza, mampiteraka, mampiasa ravinkazo hitsaboana marary na hodin-kazo na zava-maniry amin’ny ankapobeny na tany na rano na vato amin’ny endriny ara-kolontsaina rehetra eto Madagasikara. Mbola ezaka ny fanaraha-maso izay amin’ny alalan’ny lalàna ihany. Eo ny filankevitra kaominaly any ifotony miaraka amin’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana na CSB, ny kaominina na ben’ny tanàna miaraka amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana sy ireny olobe ireny. Ireo izany no ao anatin’ny filankevitra. Manisa ireo mpitsabo nentim-paharazana ireo sady manara-maso hoe sao dia manaotao foana. Misy ny hoe BCRT na «Bureau de coordination régional des tradipraticiens» koa eny anivon’ny faritra, izay mpandrindra ny fitsaboana nentim-paharazana. Miara-miasa amin’ny minisitera, prefe, mpitandro filaminana sy ny lafiny rehetra io. Mangataka izahay ankehitriny amin’ny fitondrana mahefa mba ho ampidirina ho isan’ny heloka ana habaka na «cybercriminalité» ny dokam-barotra amin’ny endriny rehetra mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana satria zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka izy ireny, izay matetika atao amin’ny alalan’ilay antsointsika hoe kaonty fako. Hisandohana, hakàna volan’olona efa marary na manana olana eo amin’ny fiainana an-davan’andro izy ireny ka izay no antony hangatahanay hoe ampidiro ho isan’ny heloka ana habaka. Miantso izany koa izahay amin’ny fanaratsiana ilay fitsaboana nentim-paharazana. Ny gazety sy onjampeo dia matetika fantantsika fa lasa fanomezana endrika ratsy ilay zava-masina. Zava-masina toy ny fitsaboana maoderina ihany izany fitsaboana nentim-paharazana izany, hoy hatrany ny ANTM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT