DISTRIKAN’I VANGAINDRANO

Tsy hankalaza ny fetim-pirenena 26 Jona ny mponina


  • Talata 25 Jona 2024

Tsy hisy hankalaza ny Fetim-pirenena 26 Jona izay homarihina manomboka anio Talata

ireo mponina manerana ny kaominina 31 isa mandrafitra ny distrikan’i Vangaindrano. Maro loatra ny antsonjay mihatra amin’izy ireo raha hany ka tsy mahatsapa ny tenany ho Malagasy intsony ny any an-toerana. Anisan’ny mampalahelo mafy ireo mponina ao Vangaindrano ohatra ny raharaha fanenjehana an’i Mahavitara Sylvestre, ny raharaha Masy Goulamaly ary ny raharaha Christine Razanamahasoa. Nanamafy ny filohan’ny BAAM, Rasambozafy Cyrille, izay hivondronan’ny Foko Betsileo, Antesaka, Antemoro, Antandroy, Antefasy ary Makoa fa sambany teto amin’ny tany sy ny firenena no nahitana tranga tahaka izany, ary ho sarotra ny toe-draharaha raha tsy misy fandraisana andraikitra. Homarihin’ireo Foko Antesaka amin’ny famonoana omby sy fanaovana fomba izany anio Talata ka hiombon-kevitra sy hifanome toky izy ireo fa tsy hisy handray anjara amin’ny fankalazana ny Fetin’ny 26 Jona.
Pati
Legende : Rasambozafy Cyrille, filohan’ny BAAM!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT