Tapaka tanteraka ny jiro sy rano vatsian’ny orinasa JIRAMA any amin’ny distrikan’i Morombe.
Vokatry ny fahasimban’ny milina mpanodina sy mpanaparitaka ny herinaratra no voalaza fa antony mahatonga izany. Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny orinasa JIRAMA any an-toerana dia mifangaro mihitsy ny rano sy ny menaka amin’io milina io hany ka tsy misy azo hatao intsony. Na izany aza efa nampandre ny tompon’andraikitra izy ireo hoy hatrany ny vaovao azo. Tsiahivina moa fa efa nanomboka tamin’ny volana Febroary taona 2024 no niaina delestazy lavareny ny mponina tany Morombe. Nihamafy hatrany izany talohan’ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao teo ary izao tena tapaka tanteraka izao. Efa tafakatra 2.000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo vokatr’izany any amin’ity distrika iray ity. Vitsiana ihany anefa ireo tokantrano mahatakatra izany fa ny ankamaroany dia miaina amin’ny rano anaty vovo avokoa.
Pati
Legende : Vidiana 2.000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo any Marombe no sady mbola ilaharambe tahaka izao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.