Distrikan’i Fianarantsoa I

Laharampahamehana ho an’i Patrick R. ny famoron’asa


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Nafana ny fampielezan-kevitry ny kandida laharana voalohany na N°1 ao Fianarantsoa Patrick Randriarimanana,

izay notronin’ny vahoaka maro resy lahatra amin’ny foto-kevitra ijoroany tena hiady ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka maro an’isa. Kandita atolotry ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) ny tenany, ka tonga nanotrona sy nanamafy ny fanohanana azy ny Filoha Nasionalin’ny FTT Atoa Tahina Razafinjoelina omaly. Miatso ny vahoaka rehetra eto amin'ny distrikan'i Fianarantsoa ho sahy hijoro ka hahay hisafidy izay hisolo vava azy eny amin'ny Antenimierampirenena mandritra ny 5taona izy ireo, ka nivoitra fa tsy ekena ny fanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka madinika eto Fianarantsoa. Mila mijery lavitra isika ary tsy ho tokony hatakalo vola na zavatra tsy hahavita taona ny safidy amin'ny 29 Mai, hoy ny fanentanana. Laram-pahamehana hoan'ny kandidà Patrick Randriarimanana rehefa lany depiote ao Fianarantsoa izy dia ny: fananganana orinasa madinika eny ifotony hoan'ny fianakaviana tsirairay ka amin'ny alalan'ny volan’ny CIAD (Crédit d'lnvestissement destiné à l'appui au Développement) no isan’ny hanaovana izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT