Hihatsara ny fiharian'ny tantsaha mpamokatra soja sy voanjo any Anjozorobe!?
Haodina ho lasa menaka ny soja sy voanjo vokatra any amin'ny distrikan'Anjozorobe manomboka izao. Ozinina mahatoto akora fototra 1200kg isan'ora, izany hoe 10 taonina isan'andro eo ho eo no naterin'ny Minisitra ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy tany an-toerana ny sabotsy 29 Jolay 2023 teo. Voanjo 3kg na soja 5kg no hahazoana menaka 1 litatra amin'ity fitaovana ity. "Tsy adino tokoa ny distrikan'Anjozorobe araka ny tenin'ny Filoham-pirenena. Ampitao any aminy ny fisaorana Andriamatoa Minisitra", hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Anjozorobe, Odon Mbelo Ndriamamonjy tamin'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. Nilaza io Minisitra Edgard Razafindravahy io, fa toromariky ny Filoham-pirenena ny hijerena ny fiveloman'ny olona eny ifotony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.