Actualités

Distrikan’Ikongo Tsy mba mahita Mondial izany, hoy ny depiote Razafitsiandraofa


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Tena mampalahelo fa tsy mba mahita Mondial izany ny mponina any amin’ny distrikan’Ikongo na dia efa nivimbina fitaovana niaraka amin’ny teknisianina aza izahay, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tamin’iny faritra iny, Razafitsiandraofa Jean Brunel izay vao tafaverina avy nankalaza ny fetim-pirenena tany......

Efa roa taona katroka mantsy izao no tsy mba nahita izany TVM izany ny any amin’iny distrika iny noho ny fahafatesan’ny piesy sasantsasany amin’ny “Antenne” lehibe mampandeha ny sary. Manginy fotsiny ny herinaratra izay adiny roa monja no mba mandeha any an-toerana (6 ora ka hatramin’ny 8 ora alina), ka mbola iantsoana ny fitondrana mahefa ihany. Raha ny mikasika ny resaka politika indray kosa dia nambaran’ity solombavambahoaka avy any Ikongo ity, fa mandeha tokoa ny resaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny, voasoratra an-gazety mihitsy fa mizara telo ny vondrona Mapar misy azy ankehitriny. Hatreto aloha, hoy izy, dia tsy nahazo toromarika amin’izany fisaratsarahana izany izahay. Tokana ihany ny Mapar ny fahafantarako azy fa dia miandry ny filazana ofisialy avy amin’ny sekretaria jeneralin’ny Antenimieram-pirenena isika raha misy mifanohitra amin’izany ny zava-misy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT