Actualités

Distrikan’Ikalamavony Anjakan’ny dahalo tanteraka


  • Talata 05 Aogositra 2014

Hita ny ezaka ataon-dRtoa Solombavambahoka voafidy tao Ikalamavony, nefa dia mbola mitohy hatrany ny asan-dahalo. Tamin'ny sabotsy 2 aogositra 2014 vao maraina tao Ambatoalapa FKT Mandro kaominina ambanivohitr’i Mangidy ao amin’ny distrikan’Ikalamavony no notafihin-dian-dahalo maherin'ny 30 nirongo fitaovam-piadiana. Nirohotra ny fokonolona namonjy koka nefa atody miady amam-bato

3km andrefan'ny tobin'ny zandary io toerana io nefa dia mbola sahin'ireto dahalo ireto ny nitondra ny omby niantsinanana nandalo ny tobin’ny zandary. Satria efa misaka biby an-davaka ireto dahalo ireto  ka nanampy ireo zandary. Vokany, tafaverina ny omby, dahalo 6 maty voatifitra, tsy nisy naratra ny fokonolona. Tsy vita hatreo anefa ny asa ratsin'ireto dahalo ireto fa rehefa nandositra avy eo izy ireo dia mbola nanafika tanàna roa hafa indray izay lavidavitry ny kaominina ambanivohitr’i  Mangidy ao amin'ny fokontany Ivozona, tsy mbola fantatra ny isan'ny omby lasa. Manaitra ny tompon'andraikitra mba hanao laharam-pahamehana ny famongorana ny asan-dahalo fa tena mafy ny mahazo anay aty amin'ny Distrikan’i Ikalamavony, hoy ireo mponina any an-toerana. Potika ny harena nohariana ary mitebiteby andro aman'alina ny vahoaka matahotra ny aina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT