Actualités

Distrikan’i Tolagnaro 40% n’ny mpiasa no mpikambana ao amin’ny CNaPS


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Mbola misy ny orinasa na ny mpampiasa tsy miraharaha ny fiahiana ara-tsosialy ka tsy mampiditra ny mpiasany ho mpikambana ao amin’ny CNaPS.Voararan’ny lalŕna izany ! Izay indrindra no nahatonga ny CNaPS nikarakara fiofanana momba ny Fiahiana ara-tsosialy tany Taolagnaro

. Nanomboka ny talata 04 aogositra teo ny atrik’asa ary tsy hifarana raha tsy rahampitso zoma 08 aogositra. Nasongadin’Andriamatoa RAKOTOMANANA mpanolo-tsaina manokana eo anivon’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS, izay nisolotena ny Tale Jeneraly nandritra ny fanokafana ny fiofanana fa «  misy amin’ireo mpampiasa no tsy manaja ny Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy, ka tsy mandoa ny latsakemboky ny mpiasa eo anivon’ny Tahirim-pirenena. Hany ka very zo ny mpiasa sy ny fianakaviany. Araka ny lalàna fototra mifehy ny asa dia ny CNaPS irery ihany no miandraikitra ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Nambaran’ity tale eo anivon’ny Tahirim-pirenena ity fa fiahiana fanampiny ihany fa tsy fiahiana fototra akory no ataon’ireo orinasa hafa tsy miankina izay mandray mpikambana hanao “fonds de pension”.  Midika izany fa ireny olona izay iandreketan’ireny « fonds de pension » ireny dia tokony ho mpikambana ao fiahiana ara-tsosialim-panjakana aloha  raha araky ny sata mifehy ny asa ! Azo itarafana ny fahantrana amin’ny firenena iray ny fananany tahan’ ny fiahiana ara-tsosialy latsaky ny 10% . Ho an’i Madagasikara manokana anefa dia mbola ao anelanelan’ny 7% hatramin’ny 10% eo ho eo izany taha izany. Distrika 03 dia Amboasary Atsimo, Betroka, Taolagnaro no nahazo tombotsoa amin’ity fampahafantarana ny Lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy ity. Fantatra  fa mbola 40% monja amin’ireo mpiasa any amin’ny distrikan’I Tolagnaro ihany no manana Fihiana ara-tsosialy. Koa izao fiofanana izao no atao dia ny mba hampihenana  ireo sehatra tsy manara-dàlana sady koa hampavitrika ireo mpampiasa hanefa ny adidiny ary hampiditra ny mpiasany ao amin’ny CNaPS.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT