Tontosa tao Fandriana ny zoma 04 jolay lasa teo ny fandraisana sy fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny CHRD II na ny Centre Hospitalier de Référence de District niveau II
Vokatry ny fanampiana nataon’ny fikambanana mpanao asa soa antsoina hoe “CAP-ANAMUR” no nahavitana ny asa fanorenana ny trano sy ny fitaovana fandidiana ao anatiny. Nanome mpitsabo mpandidy sy fitaovana ilain’ny hopitaly kosa ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Afa-pahasahiranana amin’ny fandehanana lavitra, araka izany, ny vahoaka ao Fandriana raha misy fandidiana atao satria vita ao an-toerana izany manomboka izao. Ny Dokotera mpandidy Ralay Sabotsy sy mpitsabo maromaro no hampihodina ity toeram-pitsaboana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.