Tsy matahotra mpitandro ny filaminana intsony ireo dahalo manafika sy mpangalatra omby ao amin’ny distrikan’Ambositra tato anatin’ny herinandro izao.
Mandeha andiany am-polony izy ireo manao fanafihana, mirongo basy mahery vaika ary mahavita mamono olona. Asan-dahalo niseho farany nahafatesana mpanara-dia iray sy nahafatesana dahalo iray no niseho tao Ankorony, 6 km miala an’Ambositra. Dahalo 40 lahy no nanao ny fanafihana, omby 40 no very. Talohan’io dia efa nanafika tanàna roa hafa tao Ambositra ihany koa ireo dahalo ireo. Andihizan’ny dahalo, araka izany, ny distrikan’Ambositra satria tsy lavitry ny tobin’ny mpitandro ny filaminana intsony, ireto farany izay tara fahatongavana nandritra ireo fanafihana ireo. Mbola mila fijerena akaiky ny ady amin’ny asan-dahalo ao amin’ny Faritra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.