Actualités

Distrik’Antsirabe II Mirongatra ny fanafihana mitam-basy


  • Talata 07 Jolay 2015

Mirongatra ny fanafihana mitam-basy amin’iny ilany atsinanana amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa iny amin’izao fotoana. Velon-taraina ny mponina saingy afenin’ny mpitandro ny filaminana ity resaka ity. Voalazan’ny fokonolona fa mitam-basy avokoa ireo mpanafika isaky ny mitranga izany ary basy arifomba tanteraka fa tsy vita gasy.

     Ny sabotsy 4 jolay teo, tamin’ny 4ora tolakandro, dia fiarabe avy nivarotra tao amin’ny tsenan’i Tanambao no notafihin’ireo jiolahy am-polony maro. Vao tazan’izy ireo ny fiara dia notifirin’izy ireo ny fitaratra aloha ka voa ny mpamily. Vao nijanona ny fiara dia navoakan’izy ireo ny tompony teo amin’ny ilany havanana ka nasainy navoaka avokoa ny vola rehetra. Ny jiolahy sasany kosa nisava ny tao aoriana ary nasain’izy ireo navoaka ny vola tany an-tsikinana. Nitsoaka kosa ireo mpivarotra hafa tao anatin’ilay fiarabe iray tao aoriana ka avotra ihany. Saika isan-tapa-bolana dia itrangana fanafihana any an-toerana. Raha ny tatitry ny mponina ihany, nisy ny fanafihana ny mpitam-bolan’ny fiangonana loterana tao amin’ny fokontany Fiherenantsoa, ary mpivarotra roa hafa koa tao amin’ny fokontany Soanindrariny, izay nitrangana poa-basy in-11 tamin’izany. Efa miverina mandry an-tsaha ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana noho ny tahotra ireo jiolahy. Nidina tany an-toerana avy hatrany nitafa tamin’ireo vahoaka momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Depiote Randrianantenaina José ka nampanantena ireo vahoaka ny hitatitra izany amin’ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana ao Vakinankaratra.

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT