DISADISAN’NY MPIVADY

Zazavavy kely 3 taona may kilan’ny afo


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Zazavavy kely vao 3 taonja monja no fantatra fa namoy ny ainy vokatry

ny haintrano nitranga tao Ambodimadiro, Fokontany Anosikely Avaratra, kaominina ambonivohitr’i Maevatanana. Ny alin’ny 10 Jona hifoha 11 Jona lasa teo no nitrangan’izany taorian’ny fifamalian’ireo Ray aman-dReniny niteraka azy, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha ny fantatra dia efa tsy tao an-trano ilay Raim-pianakaviana nandritra ny fotoana nisehoan’ny firehetana. Mianadahy kosa ireo zaza no tavela tao an-trano ka tafavoaka teny am-baravarankely ilay zokiny lahy 9 taona raha namoy ny ainy ilay zandriny. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany alina moa vao voafehy ny afo raha efa lasa lavenona kosa ilay zaza. Ireo fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana no nandray an-tanana izany. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity haintrano namoizana ain’olona ity.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fahorian’ilay Raim-pianakaviana niatrika ilay menaky ny ainy efa lasa lavenona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT