Lehilahy iray 22 taona no nosamborin'ny Polisy miasa ao Morondava omaly Alarobia 06 Septambra tokony ho
tamin'ny 08 ora maraina rehefa nikasa hamono olona. Raha araka ny fantatra dia havany akaiky ihany no saika novonoin’ity lehilahy ity. Noho ny tsy fifanarahana teo amin'ny fianakaviana no antony nanosika azy hanao izany. Nokapainy tamin'ny sabatra ny tanan'ilay havany. Nampandre avy hatrany ny polisy ànefa ireo fianakaviana ka tonga teny an-toerana nisambotra azy ireto farany. Marihana fa mbola tratra teny aminy ny sabatra iray izay nikapany ny tanan'io fianakaviany io izay nokasainy hovonoiny ho faty mihintsy saingy tsy tanteraka izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy saika namono nahafaty ny havany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.