Diplaomasia, toekarena, fiaraha-miasa,…

Miroso ny fankatoavana fa tsy toy ny 2009n-dRajoelina…


  • Zoma 31 Oktobra 2025

Samihafa tanteraka amin’ny sary politika

taorian’ny 2009 ny zava-misy ankehitriny eto Madagasikara. Tsy araka ny fivoizana nentin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany izay niezaka nanao «campagne de diabolisation» na fanaratsiana avo lenta ny tolom-bahoaka nitaky fanovana, nisy fanonganam-panjakana ara-miaramila. Dia iny nanaisotra antsika iny ny Vondrona Afrikanina ! «Tsy fanonganam-panjakana ara-miaramila araka ny lazain’ny sasany. Fitroaranan’ny vahoaka no nitranga », hoy ny Praiminisitra Maorisianina Navin Ramgoolam. Nisy lanjany ara-jeopolitika ny fahatongavan’ireo diplaomaty teny amin’ny HCC ny 17 oktobra. Heverina ho stratejika ny fandraisan’ny Filoham-panjakana ny Ambasadaoro Rosianina, niaraka tamin’ny firesahana voalohany tamin’ny fampahalalam-baovao Rosianina Sputnik. Tonga nihaona avy hatrany ny Ambasadaoro Frantsay avy eo. Ny Ambasadaoro Britanika, taorian’ny fandraisana ireo Masoivoho teny Iavoloha nanambara fa vonona hanohana tsy misy fepetra ny ady amin’ny kolikoly sy ny fifidianana madio. Ny Vondrona Eoropeanina izay misy Firenena 27, tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony Roland Kobia, no naneho voalohany ny fanekena ny governemanta vaovao. « Miandry asa lehibe ity ekipa vaovao ity ho fanarenana ny toekarena sy ny fampandrosoana », hoy izy. Naneho fa vonona ny Vondrona Eoropeana hanomboka fifanakalozan-kevitra amin’ireo minisitra vaovao, mifanaraka amin’ny torolalana ara-politika: fitantanana mangarahara, fanajana lalàna, fahatsapan’andraikitra ara-bola, ary ady amin’ny kolikoly. « Mankasitraka izahay ny finiavana mazava hanokatra dinika mivelatra sy mandray anjara, izay mikendry ny hamaly ny hetahetan’ny vahoaka », hoy i Roland Kobia ny talata teo. Noraisin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo io Ambasadaoro io, niresahana tetikasa laharam-pahamehana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Nohamafisin’ny Masoivoho fa mijanona ho mpiara-miombon’antoka lehibe indrindra ny Vondrona Eoropeana amin’ny sehatra ara-barotra sy fampandrosoana. Tonga nihaona tamin’ny Praiminisitra ihany koa ny solontenan’ny Banky Iraisampirenena Atou Seck omaly. Nifantoka tamin’ny fanohanana ireo tetikasa laharampahamehan’ny Filohan’ny Fanavaozana. Nodinihana manokana ny olana amin’ny angovo sy rano, ary koa ny fanabeazana sy fahasalamana. Hitohy amin’ny herinandro ny fifampidinihana. Tonga teny Mahazoarivo ihany koa omaly ny Ambasadaoron’i Maroc Benjilany Mohammed, naneho ny fanamafisana ny fiaraha-miasa mafy orina,… Misy dikany lehibe amin’ny diplaomasia sy jeopolitika izany, na teo aza ny fanamelohan’ny Vondrona Afrikanina. Stratejika ny fahaizan’ny Fanjakana mametraka fitsipi-dalao sy fiaraha-miasa ara-drariny, satria aty amintsika ny baolina amin’ny fanarenana ny tsy mety, na ekena aza fa mila azy ireo hanampy antsika isika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT