Diplaomasia sy fiaraha-miasa

Tonga teny Iavoloha ny delegasiona mfonjan'ny ONU


  • Alatsinainy 15 Desambra 2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny delegasiona avy amin’ny Firenena Mikambana ny marainan’ny sabotsy teo teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Tafiditra tao anatin’ny iraka manokana ataon’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara ny 08–14 desambra 2025. Iraka notarihin’i Parfait Onanga-Anyanga, solontena manokan’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, sady Lehiben’ny Biraon’ny Firenena Mikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, niarahana tamin’ny manampahefana ambony avy amin’ny Firenena Mikambana: Matthias Naab, Tale jeneralin’ny Foibe Serivisy isam-paritra an’ny PNUD eto Afrika ; David Bongwele, Lehiben’ny ekipa ho an’i Afrika Atsinanana sy ny Ranomasimbe Indianina ao amin’ny DPPA (Departemantan’ny Raharaham-pôlitika sy ny fanamafisana ny fandriampahalemana ary ny Departemantan’ny Asa Fandriampahalemana) ; Nina Koffi, Mpanampy manokana ny Solontena manokana. Tanjona lehibe amin’ity iraka ity ny hifanakalo hevitra amin’ny manampahefana malagasy sy ny solontenan’ny andrimpanjakana ary ny fikambanana samihafa voakasika amin’ny fanavaozana, araka ny tatitra ofisialy. Kendrena ny hahazoana fahalalana mivantana momba ny filan’i Madagasikara sy ny hanamafisana ny fanohanana avy amin’ny Firenena Mikambana, hoy hatrany ny tatitry ny Fanjakana. Ho an’i Madagasikara, nambara fa manan-danja ny fitsidihana satria manome sehatra hifandraisana mivantana amin’ny Firenena Mikambana sy amin’ireo mpamatsy vola, amin’ny alalan’ny PNUD sy ny fandaharanasan’ny Vondrona Afrikanina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT