Hanolotra vola 33 miliara dolara ho ampiasaina aty amin’ny kontinanta Afrikana i Etazonia, izay no vaovao lehibe tamin’ilay fihaonana an-tampony teo amin’ny Afrika sy Etazonia notanterahana tany Washington ny alatsinainy ka hatramin’ny omaly alaraobia.Ankoatra ny AGOA dia hahazo tombotsoa avy amin’io vola io koa i Madagasikara
ho ampiasaina amin’ny alalan’ny tetikasa hifandrimbonan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina io vola io.Fa ankoatr’izay dia fantatra ihany koa izao fa notendren’ny filoha Barack Obama ny alatsinainy lasa teo ny masoivohon’i Etazonia vaovao eto amintsika, tsy iza izany fa Atoa Robert T Yamate.Manampahaizana momba ny kajy, ny fanabeazana ary ny fitantanana ity diplaomaty ity ary efa niasa tany amina firenena maro toa an’i Senegal, Kanada, Taiwan, Zimbambwe, Côte d’Ivoire, Soisa.Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa hoe rahoviana no ho avy eto Madagasikara sy handray ny asany ity masoivohon’i Etazonia vaovao ity.Izay vao nanendry masoivoho hiasa eto amintsika ny firenena Amerikana hatramin’ny nahataperan’ny fotoam-piasan’Atoa Niels Marquardt tamin’ny 2009.Izay no vaovao azo ambara hoe nisongadina tamin’ny dian’ny delegasiona Malagasy tany Etazonia, ho hita eo indray moa izay ho ambaran’ny filohampirenena rehefa tafaverina an-tanindrazana izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.