Dinika momba ny JIRAMA

«Hitarika amin’ny famaranana sy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra»


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Nihaona tao Ambohitsirohitra omaly ireo solotenan'ny mpiasan'ny orinasa JIRAMA

sy ireo solotenan'ny fiadidiana ny repoblika, miaraka amin’ny minisiteran’ny fitsaràna, ny minisiteran’ny angovo sy akoranafo ary ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Io fihaonana io dia tohin’ny dinika efa natomboka teny Iavoloha niaraka tamin'ny filohan'ny repoblika, Andry Rajoelina, hoy ny fanazavàna. Araka ny fanamafisana natao teny Iavoloha dia nifanaraka ny rehetra fa ilaina ny fandinihana lalina sy ifotony amin'ny famolavolana sy fanavaozana izany sata izany. Ankehitriny, efa manomana ny dinika manaraka ireo solontena rehetra, izay hitarika amin’ny famaranana sy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra ho an’ny hoavin’ny orinasa Jirama, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT