Actualités

Dina isam-paritra Tsy maintsy manaja ny zon’olombelona ny fampiharana azy


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara dia misy ny hevitra entina hamerenana ny dina isaky ny faritra tsirairay. Na eo aza anefa izany dia tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny zon’olombelona sy ny kolontsaina isaky ny faritra ny fomba hanatanterahana izany.

. Maro mantsy amin’izao fotoana ny fientanam-po sy  hatezerana diso tafahoatra ka mahatonga ny olona hanaotao foana raha ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana anisan’ireo komity mamerina ny dina isam-paritra. Raha ny fahita hatramin’izay, hoy hatrany ity tompon’andraiki-panjakana ity, dia mirona any amin’ny famonoana sy herisetra ny sazy ataon’ny olona rehefa mampihatra ilay dina izy ireny fa tsy sazy tsotra intsony. Araka izany dia tsy azo atao intsony ny mamono olona fa sazy ara materialy sy ny fandoavana ny vidin’ny heloka nataony no tokony halaina amin’ny olo-meloka fa tsy ny fikasihan-tanana miafara amin’ny fanalana ny ain’ilay meloka tahaka ny fahita hatramin’izay toy ny dina menavozo sy ny maro hafa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT