DILO RAKOTOMANGA

Tsy mikely soroka amin’ny asa fampandrosoana


  • Zoma 25 Jolay 2025

Vonona hatrany Atoa Dilo Rakotomanga, Ben’ny tananan’ny kaominina Mahitsy

amin’ny resaka fampandrosoana ary tsy manakatom-baravarana na amin’iza na amin’iza. Io no nambarany nandritra ny fanokafana ny tsenabe Fivoarana izay tanterahina ao amin’ny faritra hiadidiany nanomboka omaly Alakamisy 24 Jona. Mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika ny kaominina raha ny fanazavany ka anisan’ireny ny fanampiana ireo olona nanamboatra kara-panondro ka diso ny anarana ao anatiny fa tsy mitovy amin’ny voasoratra ao anatin’ny kopia mari-pahaterahana. Manana trano eva manokana mihitsy izy ireo mandray ireny karazan’olona ireny. Toraka izany koa ny resaka fananantany. Efa misokatra ihany koa ny birao ifotony momba ny fananantany ao amin’ny kaominina Mahitsy entina hanampiana ny tantsaha hanoratra amin’ny anarany ny tany izay nohajariany. Notsiahivin’ity Ben’ny tanana ity moa fa raha mbola mahasoa ny vahoaka eo ambany fiadidiany dia hataony, antony hanokafany fiaraha-miasa amin’ny rehetra.
Pati
Legende : Izy no Dilo Rakotomanga, Ben’ny tananan’ny kaominina Mahitsy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT