Actualités

Dila ny 16 martsa Hanasazy koa isika Malagasy


  • Zoma 26 Febroary 2010

Raha ny 17 martsa 2009 i Andry Rajoelina no naka fahefana, ny 16 martsa 2010 kosa izy no hamarana izany fahefany izany.

 

Hilatsaka mantsy ny sazy, hoy Rakotoamboa Jean Louis filoha nasionalin’ny Teza. «Isika koa tsy maintsy hanasazy ireo mpanongam-panjakana». Hiainga any amin’ny fokontany, eny amin’ny minisitera sy eny amin’ireo sehatra rehetra izany fanasaziana izany. Nanentana ireo komity mijoro miaro ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ho fampanjariana ny fiainam-bahoaka ny tenany mba hanao lisitra ireo nanongam-panjakana rehetra, ireo rehetra niray tsikombakomba sy nanohana ka alefa any amin’ny vondrona afrikanina. Atsy ho atsy, araka ny lahateniny, dia hampiantso fivoriambem-pokonolona ny komity hamoahana izay sazy ho an’ireo sokajin’olona ireo. Tsy ny fiziriziriana no hampijaly ny vahoaka, hoy ihany Rakotoamboa ka mila mijery izay azo hatao rehetra amin’ireo sokajin’olona ireo ny komity. Ny fanonganam-panjakana no nahatonga ny krizy teto amintsika, hoy i Be François nanamafy. Noho izany, na tiana na tsy tiana, dia tsy maintsy miditra amin’ny tetezamita iraisana, hiaraha-mitantana tsy mitanila isika, hoy ihany ity olomboafidy, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ity. Hitohy amin’ity anio ity moa ny hetsika etsy amin’ny Kianjan’ny ara-dalàna.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT