DIKELEDI

Tombanana hivadika ho rivo-doza mahery


  • Zoma 10 Janoary 2025

Tombanana hivadika ho rivo-doza mahery vaika i Dikeledi. Vinavinaina hiditra an-tanety, any amin'ny tapany Avaratra

 Atsinanan'ny Nosy izy rahampitso Sabotsy 11 Janoary folakandro na amin’ny alina. Nitombo hery izy. Tany amin'ny 1509 km atsinanan'Antalaha no nisy ny foibeny omaly Alakamisy tokony ho tamin'ny 9 ora maraina ary nitondra rivotra 75 km isan’ora ora sy tafiotra 105km isan’ora ora manakaiky ny foibeny. Mampanahy mafy moa ny herin’i DIKELEDI amin'io fiakarany an-tanety rahampitso io. Mety hahatratra 130 km isan’ora mantsy ny rivotra hiaraka aminy. Sahirana moa ny mponina amin’ny ankapobeny no sady matahotra ny amin’ny fisian’ity rivo-doza ity. Tsy vitsy koa anefa ireo miandrandra azy vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana eto amintsika ka mahamaina ny tany tanteraka tahaka izao.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT